Pitou mi-blaogy

...tsiaro...
2008/07/22,15:17
Kay moa zah manana blaogy , naika adinoko :p

22 juillet 83 / 22 juillet  08 :  25 taona lasa  izay  ……NENY !!!

22 mai   08  /  22 juillet  08 : 2  volana  izay , ……..MAMAN !!!


      Afeninay anaty tsiky  ny alahelo
      Afeninay anaty  kalo ny  tomany
      Ka ekenay ampitiavana
       Ny fandaharan’ Andriamanitra




Tsy  ho  faty  mandrakariva  ao am-ponay  ny fahatsiarovana  anareo

‘’ …l’Amour d’une maman vaut mieux que tout l’or du monde …’’

' ty zah e
2008/03/12,00:25

 

Miarahaba ny mpitoraka blaogy sy ny mpamaky rehetra Smile


wééééé,ela ny ela vita ihany ilay blaogy. Efa herintaona  izay zah no oe hanokatra azy ity, raha tsy voatagy tsy vita mihitsy hi!hi!hi!. Raha tsy i Lap koa moa ve mahita ze mi-tagy olona tsy manana blaogy tssssss

sekiré fito v d mba ho aiza , oe o ry sakaiza : 

1 - Pitou irery angamba no mbola tsy nahita le film oe " Titanic " , aza himehezana eeeee

 

2 -Ny telé-realité tena mba tiko syhitako h@ voloany ka h@ farany , ary tsy tara mitsy zah fa vo manomboka d efa maka plasy  le oe " Mon incroyable fiancé "

 

3 -Efa hatramin'ny mbola kely hatramin'izao mbola mahafinaritra anah fona ny manao le jeux " Mario Bros " 

 

4 -In-3 misakafo ohatra ny olona rehetra ihany zah fa saingy @ 11 ora maraina , @ 5 ora atoandro, @11 hariva . Indraindray adino le misakafo @ 11 alina io refa variana mamaky blaogy lol ( tsy dia tena ora fixe be akory fa flexible +/- ora iray ) 

 

5-Ny mipasoka ny asa tena tsy tiako indrindra  Yell, surtout raha be flirony izay le akanjo ,asa mety hisy masinina mpipasoka ve atsy ho atsy lol

 

6 - A l'aise tsara zah  refa jean no anaovako

 

7 -Mbola tsy nanana ireny famataranandro @ tanana ireny hatramin'izay (ny t@ mbola kely no tsy tadidiko hi!hi!hi!)

 

Voatagy daholo androany lisany mpilalao eseky ireo , na tsy mbola manana blaogy ary , iza irery no ho tratra eto: Hery efa voatagy fa re-tagy mbola tsy nivoka le sekiré , Onjah sy Mandrak , mba mandalova aty @ blaogy lisany fa%

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype