Nahavariana ahy loatra ny fihetsiky ry zareo mpitondra Taxi -ny aéroport sasantsasany ao Orly .
Nisy fahatarana be moa ny fiaingana ka efa t@ 11 alina vao tonga ny avion . Escale ihany no tao fa ny ampitso maraina dia hanainga indray hany ka izay hotel tsy dia lavitra no ni-reservena .Izay taxi rehetra nantonina dia tsy nisy nety nitondra , hay ry zareo miandry ilay course lavitra fa tsy intéressant ilay mankany @ hotel xxx fa akaiky loatra . Ny sasany indray dia namorina tsotra izao oe tarif minimum , tonga dia ilay course mankany paris centre ville no teneniny . Tsy dia mpandeha taxi loatra za fa na izany ary d tsy nanaiky ny nambakain’ilay saofera fa dia naleoko niandry ny rariny teo hi!hi!hi!. Ny andro @io miha-alina ihany.
Nisy rangahy @ s/ce securité izay moa mba tafaresaka tamiko, izy koa tsy hitany izay natao, kanjo iny nisy fiara-ny polisy nandalo dia nosakanany, dia nazavazavainy teo ny nahazo ahy, ndao hoy ireto polisy fa aterina ianao , ouf !!! nomeko bises kely aloha ilay rangahy sady ny merci tsisy farany hahaha
Vao tafavoaka ny aéroport izahay dia nahazo antso ireto polisy . ’’Voatery ajanonay etsy @ arret bus etsy ianao madama fa misy asa maika vonjenay vetivety, miverina eo ihany izahay maka anao avy eo ’’ hoy ry zareo . Zara raha tafidina za dia iny fa nirifatra ilay fiara, efa elaela za vao tonga saina oe raha iny moa ka tsy miverina ry zareo , ilay valizy kely @ izany nanaraka andry zareo tany . Izay akanjo very any moa maninona fa ny dossiers rehetra momba ny mission ho aleha tany daholo.
Tera-tsemboka tampoka indray za teo na dia namirifiry mafy aza ny hatsiaka (0° ), za irery @ io no teo @ ilay arret, ilay toerana mangina dia mangina , ny tahotra @ zany manginy fotsiny …..dia tsy nisy ny azo natao fa dia niandry teo indray , ny eritreritra no namafisina oe miverina eo ireny ,miverina eo ireny :p….., ela ny ela iny eny nisy fiara-na polisy nipoitra avy tery alavitra tery , re-ouf !!!

Niverina ry zareo, tonga soamantsara tao @ hotel ihany za
Teo @ réception indray , tsisy chambres libre fa efa feno daholo hoy ilay réceptionniste…..grrrrrr, efa tsy tao anatin’ny lohako intsony ilay oe tokony niantso ny hotel za ni-confirmé- ilay réservation d nazavaina oe taratara vao tonga …. .
Avy @ ireo taxi ireo ihany no tsy nahazoako chambre :evil: , tokony ho tonga ara-potoana tao @ hotel ihany raha nanao ny asany ara-dalana ry zareo. Fotoanan’ny vac koa moa ny t@ herinandro lasa iny ka dia be dia be ny mpanao vacance,
Ny niafarany moa dia voatery nantsoina ihany ry tonton sy tata oe alaivo zah na dia efa ni-éviter aza ny nanelingelina andry zareo @ alina …, tsy nisy torimaso vanona fa dia bla bli bla d tonga ny t@ 6 maraina nanaterana ahy indray teny @ aéroport.
Mbola tsisy voyage nandreraka anah ohatra izay h@ izay , mbola avy @ireo taxin-doza ireo :p daholo izany :evil: ,soa fa vita soa aman-tsara ny mission naleha

___________________________________________________________________
Tsisy ifandraisany

: miarahaba ireo mpanohana mafatra-po an’ingahy Obama stt my daddy