Pitou mi-blaogy

Mosarena
2009/11/19,21:14
Tato ho ato dia tiako ho hanina be daholo ireto sakafo ireto nefa tsy hitako eny mpivarotra  p :

 

-Ramanonaka

 

-Mofogasy

 

-Koba voanjo   (le 1m be ireny mihitsy hahaha, misy ihany aty fa ilay @boaty kely  fa tsy mitovy ny tsirony sady tsy ampy ho hanina  lol

 

-Mangahazo maina atao tetika , le amidy eny amoron-dalana ireny ,(mbola misy manao v ireny izao ?)

 

-composés , nisy tena matsiro b sady bedabe le fangarony , nisy h@tsaramaso …sns  fa tsy d tadidiko oe aiza, teny Ambanidia angamba , tao @ pavillon tao kou,  miam miam , ampiana sakay kely hummmm

 

-lasopy sinoa,  tsok special tao @ Longo (Tamaga)

 

-Ron’akoho gasy teny @ lalana mankany Ivato iny  , ny akoho aty be jabora tsisy ilavana azy hahaha

 

-Bichique lena  afangaro @hena-kisoa na koa  anantsinah miaraka  @ henakisoa miam miam  

 

-Sakomanga , voasary ala miaraka @sira sy sakay…..paiso manta , goavy tsinah kayyyyy mitelindrora be zah

 

-Ny fihinanana maskita refa harivariva teny @plage , t@ zany mbola tsy d bex lotra fa fresh , fa @ zao efa bex illimitée an   hahaha

 

…..mbola bedabe…..fa ireo no tena hitako oe mitamberina amiko isan’andro oe aiza ary no hahitako an’ireo  ;  dia hozizy moa le nièce keliko izay oe “ inona ary no maha-tamana an’i tatie any fa tsy mody @ zay “, sady mampilendalenda ihany izy @ io no miteny oe mahita an’ireo isan’andro

 

Inona tokoa moa no maha-tamana ahy aty ? …..misy kah , misy bedabe kou …

 

Na izany na tsy izany , ny Tanàna nahalehibe tsy ho adino mandrakizay

 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype