-Ramanonaka
-Mofogasy
-Koba voanjo (le 1m be ireny mihitsy hahaha, misy ihany aty fa ilay @boaty kely fa tsy mitovy ny tsirony sady tsy ampy ho hanina lol
-Mangahazo maina atao tetika , le amidy eny amoron-dalana ireny ,(mbola misy manao v ireny izao ?)
-composés , nisy tena matsiro b sady bedabe le fangarony , nisy h@tsaramaso …sns fa tsy d tadidiko oe aiza, teny Ambanidia angamba , tao @ pavillon tao kou, miam miam , ampiana sakay kely hummmm
-lasopy sinoa, tsok special tao @ Longo (Tamaga)
-Ron’akoho gasy teny @ lalana mankany Ivato iny , ny akoho aty be jabora tsisy ilavana azy hahaha
-Bichique lena afangaro @hena-kisoa na koa anantsinah miaraka @ henakisoa miam miam
-Sakomanga , voasary ala miaraka @sira sy sakay…..paiso manta , goavy tsinah kayyyyy mitelindrora be zah
-Ny fihinanana maskita refa harivariva teny @plage , t@ zany mbola tsy d bex lotra fa fresh , fa @ zao efa bex illimitée an hahaha
…..mbola bedabe…..fa ireo no tena hitako oe mitamberina amiko isan’andro oe aiza ary no hahitako an’ireo ; dia hozizy moa le nièce keliko izay oe “ inona ary no maha-tamana an’i tatie any fa tsy mody @ zay “, sady mampilendalenda ihany izy @ io no miteny oe mahita an’ireo isan’andro
Inona tokoa moa no maha-tamana ahy aty ? …..misy kah , misy bedabe kou …
Na izany na tsy izany , ny Tanàna nahalehibe tsy ho adino mandrakizay

Zany ka hira Gasy sy ny dihy Gasy izay mbola mampiavaka antsika Malagasy
"......Tsy atakaloko an'iza na iza ny reniko na ho ela na ho haingana .......
Izy no nahitana masoandro ,
Izy no niakin-drindrina irery ,
Izy no nisotro rano tsy tiana........."
Atolotra ho an'ny Reny rehetra
Atomboko @ zavatra tsy d tiako loatra :
Vita Gasy : ny asa-tanana Malagasy , tsara dia tsara fa saingy matetika izy ireny tsy voakaly , tsy mateza , maika ny hahavita fotsiny nefa anie dia manan-talenta isika Malagasy e, mila hitovy @ oe vita sinoa :p.(Misy ihany koa anefa ny tena mampirehareha oe zany ka asa-tanana Malagasy an
Ny fotoan-gasy hahaha : raha @ 2 ny fotoana , hehehe , mila asiana large 15 à 30mn
Madagascar “Pays de mora-mora “ : Ireo vahiny izay avy nitsidika an’I M/car toa miteny an’io doly . Ny ankamaroan’ny Malagasy (Tantsaha 70% ) , mbola manaraka ny andro fady , andro tsy fiasana ……….-
…………….
PS : Mazava ho azy fa tsy ny Malagasy rehetra akory no voakasik’ireo fa fomba fijery ankapobeny fotsiny ihany
Bedabe ny mampirehareha fa saingy aleo aloha asiana inspiraka kely :p .
Mafana ny andro , programa grillade party eny amorondrano rahariva . Aiza ary ny hahitako azy .Raha tany Dago zao , natsaka kely tetsy avara-tsena d nilamina hahaha

mmmmmhhhhhhh
Mbola hitohy :), sa efa vita fa efa nihotra ny 80 mots :b:b:b
| « | Septambra 2011 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | |