Pitou mi-blaogy

Mosarena
2009/11/19,21:14
Tato ho ato dia tiako ho hanina be daholo ireto sakafo ireto nefa tsy hitako eny mpivarotra  p :

 

-Ramanonaka

 

-Mofogasy

 

-Koba voanjo   (le 1m be ireny mihitsy hahaha, misy ihany aty fa ilay @boaty kely  fa tsy mitovy ny tsirony sady tsy ampy ho hanina  lol

 

-Mangahazo maina atao tetika , le amidy eny amoron-dalana ireny ,(mbola misy manao v ireny izao ?)

 

-composés , nisy tena matsiro b sady bedabe le fangarony , nisy h@tsaramaso …sns  fa tsy d tadidiko oe aiza, teny Ambanidia angamba , tao @ pavillon tao kou,  miam miam , ampiana sakay kely hummmm

 

-lasopy sinoa,  tsok special tao @ Longo (Tamaga)

 

-Ron’akoho gasy teny @ lalana mankany Ivato iny  , ny akoho aty be jabora tsisy ilavana azy hahaha

 

-Bichique lena  afangaro @hena-kisoa na koa  anantsinah miaraka  @ henakisoa miam miam  

 

-Sakomanga , voasary ala miaraka @sira sy sakay…..paiso manta , goavy tsinah kayyyyy mitelindrora be zah

 

-Ny fihinanana maskita refa harivariva teny @plage , t@ zany mbola tsy d bex lotra fa fresh , fa @ zao efa bex illimitée an   hahaha

 

…..mbola bedabe…..fa ireo no tena hitako oe mitamberina amiko isan’andro oe aiza ary no hahitako an’ireo  ;  dia hozizy moa le nièce keliko izay oe “ inona ary no maha-tamana an’i tatie any fa tsy mody @ zay “, sady mampilendalenda ihany izy @ io no miteny oe mahita an’ireo isan’andro

 

Inona tokoa moa no maha-tamana ahy aty ? …..misy kah , misy bedabe kou …

 

Na izany na tsy izany , ny Tanàna nahalehibe tsy ho adino mandrakizay

 

Vavaka maraina
2009/09/27,16:51

Prière du matin

zzzzzzzzzz2
2009/08/19,21:45
hahaha my personality 
Click to view my Personality Profile page
haiko fa mbola misy tagy iray tsy vita any ho any fa zah hirara :b:b:b
Fitiavan'i Neny
2009/06/07,20:09

Zany ka hira Gasy sy ny dihy Gasy izay mbola mampiavaka antsika Malagasy

"......Tsy atakaloko an'iza na iza ny reniko na ho ela na ho haingana .......

Izy no nahitana masoandro ,

Izy no niakin-drindrina irery ,

Izy no nisotro  rano tsy tiana........."

Atolotra ho an'ny Reny rehetra

Valin-tagy
2009/05/31,11:27

Atomboko  @ zavatra tsy d tiako loatra :       

Vita Gasy :    ny asa-tanana  Malagasy , tsara dia tsara fa saingy matetika izy ireny tsy  voakaly , tsy mateza , maika ny hahavita  fotsiny  nefa  anie dia manan-talenta  isika Malagasy e, mila hitovy @ oe vita sinoa   :p.(Misy ihany koa anefa ny tena mampirehareha  oe zany ka asa-tanana  Malagasy an       

Ny fotoan-gasy  hahaha  : raha @ 2 ny fotoana , hehehe , mila asiana large 15 à 30mn          

Madagascar  “Pays de mora-mora “ :  Ireo vahiny izay avy nitsidika an’I M/car toa miteny an’io doly . Ny ankamaroan’ny Malagasy  (Tantsaha  70% ) , mbola manaraka ny andro fady , andro tsy  fiasana ……….-

         …………….             

  PS : Mazava ho azy fa tsy ny Malagasy rehetra akory no voakasik’ireo fa fomba fijery ankapobeny fotsiny ihany 

Bedabe ny mampirehareha fa saingy aleo aloha asiana inspiraka kely  :p .

Mafana ny andro , programa grillade party eny amorondrano  rahariva . Aiza ary ny hahitako azy .Raha tany Dago zao , natsaka kely tetsy avara-tsena d nilamina hahaha

mmmmmhhhhhhh

Mbola hitohy :), sa efa vita fa efa nihotra ny 80 mots :b:b:b

Ndao hilalao..........:)
2009/03/22,12:07

Blokeo io saka-mainty mitady ny ho lava-tongotra io  Money mouth

http://www.gamedesign.jp/flash/chatnoir/chatnoir.swf

essai impiry vo vita , zah indraipa hi!hi!hi!

 

Daty tsisy dikany (hevitro manokana :p)
2009/02/14,21:30

Vendredi  13 :  euros  million e ,15 million ny tontona,   loto spesialy e ,mihoatra ny 13 million ny mety ho azo  , PMU e, …….ny karatra kikisana moa dia manginy fotsiny , nisy dia nandany volabe mitsy niloka fa oe  andro tsara hono.  Hozizy le namako izay  « …njy ngaha tsy hanao euros million , ntsssss  aleoko  ividanana  gato , glasy , sokola , mbola niampy nijery  sonema  hahaha,   . Tsy hoe akory tsy mbola ary nanao loto sy ny forongony zah ( na izany ary aloha mahalalana be, indrepa  isan-taona ngamba , hitako zah no tsy mety mahazo Tongue out)  fa ilay finoana  le oe vendredi 13 mitsy no tsy miady @ piesiko   J. Nanontaniako  moa  ry izy mianakavy  fa toa niala maina daolo , zah nefa sady voky no niala voly hehehe.

Nisy namako iray izay indray dia ny mifanohitra @ izay indray ny fandraisany ny zoma 13, andro ratsy mampidi-doza , mahavoa ny accident  :roll :  ……., na ny mitondra fiara ary dia tsy ataony fa dia niangavy ny nalaina sy naterina nandeha niasa , ouh la la . Tsy dia nampaninona ahy loatra aloha fa lalako ihany tsinona ilay izy fa dia mahagaga ahy fotsiny ilay  ‘’finonoampona ‘’………

 14 fevrier : Iza no tsy mahalala fa dia oe fetin’ny mpifankatia  hono e. Mety tsara @ndry zareo mpivarotra moa ilay politika komersialy Tongue out , nahazo aina ny  bijoutier, fleuriste, magasin lingerie…….sy bdb tsy votanisa  . Tsy d hitako aloha izay maharatsy azy fa dia angaha dia tsy maintsy oe miandry ilay 14 fevrier . Raha zah zao d tiko zah omena kado isan’andro Wink hi!hi!hi! . Toy ny asabotsy tsotra ihany androany tamiko , ménage g/le , courses , piscine , tsy tadidiko akory ary oe St Valentin  raha tsy  le namako niantso oe  “ Désolé fa tsy afaka zah androany fa handeha hamonjy  St Valentin zahay  “ grrrrrr , manimba programa efa vita iray volana mialoha tssssss, :evil: …….dia naleoko nirediredy teto @ blogy refa tsy nivoka ihany  hahaha 

Ankalazaina ny fetin’ny mpifankatia fa dia tena nifankatia tokoa izy roa kely ireto kah, vo 13 sy 15 taona d efa papa sy maman  sahady . Lery ary to mbola miandry argent de poche  hi!hi!hi!  Zah 13 taona zany tadidiko fa mbola nitsipona vatokely d manao tso-bato Embarassed

http://www.ladepeche.fr/article/2009/02/13/555416-Un-adolescent-britannique-au-visage-d-enfant-devient-pere-a-13-ans.html

nostaliziaaaaaa
2008/10/24,21:35
' ty zah e
2008/03/11,23:25

 

Miarahaba ny mpitoraka blaogy sy ny mpamaky rehetra Smile


wééééé,ela ny ela vita ihany ilay blaogy. Efa herintaona  izay zah no oe hanokatra azy ity, raha tsy voatagy tsy vita mihitsy hi!hi!hi!. Raha tsy i Lap koa moa ve mahita ze mi-tagy olona tsy manana blaogy tssssss

sekiré fito v d mba ho aiza , oe o ry sakaiza : 

1 - Pitou irery angamba no mbola tsy nahita le film oe " Titanic " , aza himehezana eeeee

 

2 -Ny telé-realité tena mba tiko syhitako h@ voloany ka h@ farany , ary tsy tara mitsy zah fa vo manomboka d efa maka plasy  le oe " Mon incroyable fiancé "

 

3 -Efa hatramin'ny mbola kely hatramin'izao mbola mahafinaritra anah fona ny manao le jeux " Mario Bros " 

 

4 -In-3 misakafo ohatra ny olona rehetra ihany zah fa saingy @ 11 ora maraina , @ 5 ora atoandro, @11 hariva . Indraindray adino le misakafo @ 11 alina io refa variana mamaky blaogy lol ( tsy dia tena ora fixe be akory fa flexible +/- ora iray ) 

 

5-Ny mipasoka ny asa tena tsy tiako indrindra  Yell, surtout raha be flirony izay le akanjo ,asa mety hisy masinina mpipasoka ve atsy ho atsy lol

 

6 - A l'aise tsara zah  refa jean no anaovako

 

7 -Mbola tsy nanana ireny famataranandro @ tanana ireny hatramin'izay (ny t@ mbola kely no tsy tadidiko hi!hi!hi!)

 

Voatagy daholo androany lisany mpilalao eseky ireo , na tsy mbola manana blaogy ary , iza irery no ho tratra eto: Hery efa voatagy fa re-tagy mbola tsy nivoka le sekiré , Onjah sy Mandrak , mba mandalova aty @ blaogy lisany fa%

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype